"HITAHY ANAO anie ILAY MPAHARY ka HIARO ANAO. HAMPAMIRAPIRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka HAMINDRA FO ANAO. HANANDRATRA ny tavany aminao anie ILAY MPAHARY ka hanome anao FIADANANA" (Bokin' ny Fanisana 6:24-26).

vendredi 17 juin 2011

FANJAKANA KRISTIANA NO SITRAPON' ANDRIAMANITRA HO AN' I MADAGASIKARA :

-



HAFATR' ANDRIAMANITRA HO AN' NY FIRENENA :



Ry Havana malala ao amin' i Jesoa Kristy,


Miarahaba anareo amin' ny anaran' i Jesoa Kristy, Tompo sy Mpamonjy antsika.

Ny zava-dehibe indrindra amin' ny fiainana eto an-tany dia ny fandraisana ny Famonjena ao amin' i Jesoa Kristy Tompo mba handovana ny Fanjakan' ny Lanitra, araka ny Tenin'Andriamanitra manao hoe: "Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanany Lahitokana (Jesoa Kristy), mba tsy ho very izay rehetra mino azy, fa hànana fiainana mandrakizay" (Jaona 3:16).

Manaraka izany, ny Vavaka nampianarin' i Jesoa Kristy Tompo dia milaza hoe:...Ho tonga anie ny Fanjakanao. Atao anie ny Sitraponao, ety an-tany tahaka ny any an-danitra...". Ary raha ny fiainam-pirenena no jerena dia betsaka ny zava-miafina mikasika an’ i Madagasikara. Fa ampahany ihany no holazaina eto :

FANJAKANA MANKATOA AN’ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY, YHWH, Andriamanitr’Israely (Deotoronomia 28 :1-14), ary FANJAKANA KRISTIANA manarakan’ i JESOA KRISTY, no SITRAPON’ ANDRIAMANITRA, raha namorina ny Lanitra sy ny Tany Izy.

Ary ny Mpanjaka Ranavalona II dia efa nanambara, tamin' ny 20 Jolay 1869, fa JESOA KRISTY NO MPANJAKAN’ NY MPANJAKA SY TOMPON’ NY TOMPO (I Timoty 6 :15) eto MADAGASIKARA, ary izay mpanjaka sy ny vahoaka tsy manaraka izany dia voaozona. 

Teo no nanambaràny ho ren-tany ho ren-danitra fa FANJAKANA MANKATOA AN’ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY, IHWH, Andriamanitr’Israely (Deotoronomia 28 :1-14), ary FANJAKANA KRISTIANA mankatoa an’ i JESOA KRISTY, MPANJAKAN' NY MPANJAKA SY TOMPON' NY TOMPO, no SITRAPON’ANDRIAMANITRA HO AN’ I MADAGASIKARA.


fa tsy fitondrana repoblikana , demokratika, laika, mitondra ozona ho an' ny firenena sy mampahantra ny vahoaka malagasy, izay nentin’ ny mpanjanantany frantsay, ary tsy mankatoa ny Baiboly Tenin’Andriamanitra na koa fitondrana manompo sampy na mivavaka amin’ ny razana na manao pacte satanika.

FIRENEN' ANDRIAMANITRA I MADAGASIKARA, araka ny efa nolazainy tamin' ny mpanompon'Andriamanitra efa taloha ampolo-taona maro. Hoy Jesoa Kristy Tompo: "AHY MADAGASIKARA". Ary Andriamanitra no HAMONJY sy HANAFAKA ny FIRENENA amin’ ny FOMBANY (Teny Fikasan'Andriamanitra ho an' i Madagasikara: Isaiah 60).



Miala nenina Izy ankehitriny, kanefa koa manavaka ny Azy sy ny tsy Azy, Andriamanitra Andriananahary IHWH, amin’izao fotoana izao: Ireo rehetra izay tsy mino an’ i Jesoa Kristy sy mbola mieritreritra rafitra repoblikana dia ho harodan’Andriamanitra daholo amin’ ny fotoana tsy hampoizina.
Fa ireo Izay mino an’ i Jesoa Kristy sy vonona hankatoa an’Andriamanitra kosa, amin’ ny FANJAKAM-PISORONA sy FIRENENA MASINA (Eksodosy 19 :6) dia ho hasandrany tsy ho ela intsony (Deotoronomia 28 :1-13).

Hoy Jesoa Kristy Tompo: "EFA NOMENA AHY NY FAHEFANA REHETRA ANY AN-DANITRA SY ETY AN-TANY..." (Matio 28:18).  Ary koa hoe: "IZAHO MOMBA ANAREO MANDRAKARIVA AMBARA-PAHATONGAN' NY FAHATAPERAN' IZAO TONTOLO IZAO" (Matio 28:20).


HO AN' ANDRIAMANITRA IRERY IHANY NY VONINAHITRA !


Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA, PhD,
Docteur en Théologie (United-States of America).

-




(c) Copyright.

JESOSY KRISTY : MPANJAKAN' NY MPANJAKA SY TOMPON' NY TOMPO :


-


- Hoy Ilay Mpahary YHWH tamin' i Abrahama: "...dia hahatonga anao ho FIRENENA LEHIBE Aho sady HITAHY ANAO sy HAHALEHIBE NY ANARANAO, ary ho FITAHIANA TOKOA IANAO; ary HITAHY izay MANISY SOA ANAO Aho, fa HANOZONA IZAY MANOZONA ANAO; ary AMINAO NO HITAHIANA NY FIRENENA REHETRA AMBONIN' NY TANY" (Genesisy 12:2-3).


- Hoy Ilay Mpahary YHWH tamin' i Abrahama:  "...satria efa nataoko ho RAIN' NY FIRENENA MARO HIANAO. Dia hahamaro ny taranakao indrindra Aho, ka hataoko ho FIRENENA MARO HIANAO; ary hisy MPANJAKA MARO hiseho avy aminao." (Genesisy 17:5-6).


" Ary haoriko ny FANEKEKO HO AMIKO SY HO AMINAO MBAMIN' NY TARANAKAO MANDIMBY ANAO hatramin'ny taranaka fara mandimby, ho FANEKENA MANDRAKIZAY, mba ho ANDRIAMANITRAO SY NY TARANAKAO MANDIMBY ANAO AHO." (Genesisy 17:7).


" Mandrenesa hianareo, ry MPANJAKA, Mihainoa hianareo, ry ZANAKANDRIANA ! Izaho indrindra no hihira ho an'i YHWH; Hankalaza an'i YHWH, Andriamanitry ny Israely, aho". (Mpitsara 5:3).



" Indro, ny MPANJAKA hanjaka amin' ny fahamarinana, ary ny ZANAKANDRIANA hanapaka amin'ny rariny" (Isaiah 32:1).



" Ny MPANJAKA hahita ka hitsangana, ary ny ZANAKANDRIANA koa, ka dia hiankohoka noho ny amin'i YHWH, Izay mahatoky dia ny Iray Masin'ny Isiraely, izay efa nifidy Anao." (Isaiah 49:7).



" Sambatra ianao ry Firenena, raha ny MPANJAKANAO dia TENA ANDRIANA" (Mpitoriteny 10:17).


" Fa toy izao no nitiavan' YHWH izao tontolo izao: Nomeny ny Zanany Lahitokana (Jesosy Kristy) mba tsy ho very IZAY REHETRA MINO AZY fa HANANA FIAINANA MANDRAKIZAY " (Jaona 3:16).


" Izaho mananatra anao eo anatrehan'IHWH, Izay mamelona ny zavatra rehetra, ary eo anatrehan'i KRISTY JESOSY, Izay nanao ilay fanekena tsara teo anatrehan'i Pontio Pilato, mba hotehirizinao tsy hanan-tsiny amam-pondro hatramin'ny fisehoan'i JESOSY KRISTY TOMPONTSIKA izany didy izany; ny Andriana finaritra sady tokana, MPANJAKAN' NY MPANJAKA sy TOMPON' NY TOMPO, no haneho izany amin'ny fotoany; Izy ihany no manana ny tsi-fahafatesana, mitoetra eo amin'ny mazava tsy azo hatonina Izay tsy hitan'ny olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena ! " (I Timoty 6:13-16).


" Ireo dia hiady amin'ny Zanak'ondry (Jesosy Kristy), ary ny Zanak'ondry haharesy azy, satria TOMPON' NY TOMPO sy MPANJAKAN' NY MPANJAKA Izy, ary haharesy azy koa izay momba Azy, dia olona voantso sy voafidy ary mahatoky." (Apokalypsy 17:14).


" Ary manana anarana voasoratra amin'ny lambany sy ny feny Izy (Jesosy Kristy) manao hoe: MPANJAKAN'NY MPANJAKA SY TOMPON'NY TOMPO." (Apokalypsy 19:16).


" Ary ny FIRENENA MARO no handeha amin'ny Fahazavàny; ary ny MPANJAKAN' NY TANY dia mitondra ny voninahiny ho ao anatiny" (Apokalypsy 21:24).


-




(c) copyright.

lundi 2 mai 2011

KABARY TAMIN' NY TAOM-BAOVAO 2011 TENY AMBOHIMANGA - ROVA

-


HAFATRA: TSY AZO AMIDY MADAGASIKARA !


Tompokolahy sy Tompokovavy,

TANY MASINA I MADAGASIKARA !  Tsy mitovy amin' ny tany rehetra ity Nosy ity, 
Fa natokan' Andriamanitra Andriananahary Mpamorona ny Lanitra sy ny Tany hiavaka amin' ny tany rehetra !
Eto no silaky ny Saha Edena! 
Eto no misy ny harena ambany tany sarobidy indrindra eran-tany ! 
Eto no misy ny zava-maniry tranainy indrindra eran-tany ! 
Eto no misy ny biby tranainy indrindra eto an-tany ! 
Eto no misy ny vatosoa isan-karany sy betsaka indrindra eto an-tany ! 
Raha ny vatosoa safira any Ilakaka fotsiny dia ampy hamelomana ny vahoaka rehetra eto Madagasikara! 

Firenena tokony handroso amin'izay raha mandeha amin' ny Fahamarinana,
satria amin' ny FAHAMARINANA no hamonjen'Ilay Mpahary ny Firenena !

Noho izany dia TSY AZO AMIDY I MADAGASIKARA ! Ary ny HARENAM-PIRENENTSIKA dia tokony ISIKA TOMPONTANY no MITANTANA AZY FA TSY NY VAHINY !


Ny soatoavina sy ny kolotsainam-pirenenantsika eto Madagasikara dia tsy vao am-polo-taonany, na an-jato taonany akory, fa efa nisy an'arivo taonany ! 
Ny Lamba nenti-paharazantsika dia efa nisy teto an'arivo taonany !                       
Ny Tenin-drazantsika dia anisan' ireo tenim-pirenena raobinifolo tranainy indrindra eran-tany! 


Sarobidy eo anatrehan' Ilay Mpahary i Madagasikara !
Ary isika Tompontany dia nantsoiny ho FIRENENA MASINA sy TARANAKA VOAFIDY !


Koa ho lasa amin'izay anie ny ratsy rehetra !

Ary Andriamanitra Andriananahary, Ilay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany, anie,
handrotsaka ny Fahasoavany, ny Fitahiany, ny Fiadanany ho antsika rehetra, 
Tompontany eto Madagasikara sy ny Zanaka am-pielezana rehetra manerana ny tany, amin'izao Taona Vaovao 2011 izao !

DIA HO AN'ILAY MPAHARY IRERY IHANY ANIE NY VONINAHITRA !



Hoy:


Ny Andriana Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA,
Mpitarika ny FIHAONAMBE ny AMPANJAKA sy ny ZANAKANDRIANA
eto MADAGASIKARA.


Ambohimanga-Rova, faha-04 Aprily 2011.




(c) copyright.



mardi 15 février 2011

FANAJANA NY ZON'OLOMBELONA SY NY FAHAFAHANA FOTOTRA

-



Ny Andriana Rev. Dr. RABARIOELINA Ndriana, Mpitarika ny Fihaonambe ny Ampanjaka sy ny Zanakandriana eto Madagasikara, dia nandefa taratasy tamin' Atoa Ban KI-MOON (Sekretera Jeneraly ny ONU) sy ny Filohan' ny World Bank) ny Tale Jeneraly ny FMI, 

 

 ary nilaza tamin' izy ireo fa ny làlana tokana hivoahana amin' ny olana any Madagasikara, dia miainga amin' ny FANAJANA an' Ilay MPAHARY sy ny fanajàna ny SOATOAVINA ary ny KOLOTSAINA-MPIRENENA.

 

 

Nanamafy koa izy ireo fa ny Fanajàna ny "SOATOAVINA NENTIM-PAHARAZANA" sy ny "TEKNOLOJIA VAOVAO", ao anatin' ny FANJAKAN'I MADAGASIKARA, no làlana tokana ho Fampandrosoana an' i Madagasikara, sahala amin' ny Fanjakan' i Norvezy (N°1 mondial de l'Indice de Développement Humain, IDH, PNUD, 2010).

 

 

Koa ireto avy no fepetra fototra, ao anatin' izany vaha-olana, nolazain' ny Fihaonambe ny Ampanjaka sy ny Zanakandriana eto Madagasikara ho an' ny firenena izany:

 

1 - Fanajàna ny Zon'Olombelona sy ny Fahafàhana fototra.

 

2 - Famoahana tsy misy hatak'andro ireo gadra politika (miaramila, sivily, mpitondra fivavahana) noho ny tsy fitovian-kevitra.

 

3 - Fanokàfana tsy misy hatak'andro ny haino aman-jery nakàtona rehetra.

 

4 -  Fahafàhana maneho hevitra, mivory, manao fikambanana, ary fahafàhan' ny haino aman-jery haneho hevitra, ao anaty fifanajàna.

 

5 - Fitsarana mandeha amin' ny Fahamarinana. Tsy fahazahoana mitazona na managadra olom-pirenena raha tsy efa voatsaran' ny Tribonaly ka hita fa meloka. Fitsarana haingana ireo olona an-tranomaizina efa an-taonany maro, kanefa tsy voatsara mihitsy noho ny antony maro.

 

6 - Fandraisan' ny Hery Velona rehetra eto amin' ny firenena, amin' ny Rafitra Tetezamita rehetra, fa kosa tsy maintsy olom-pirenena vanona, tsy mpanao kolikoly na mpangalatra, tsy meloka teo anatrehan' ny fitsarana ankoatra ny antony politika, ary mandeha amin' ny fahamarinana.  


7 - Famotsoran-keloka, ho an' ny mpanao politika, nanomboka hatramin' ny taona 1960 mandraka ankehitriny. Tsy ao anatin' izany kosa ireo izay namono na nampamono olona, nangalatra na nanodina volam-panjakana sy fanànam-pirenena, nanondrana antsokosoko na tsy ara-dalàna ireo harem-pirenena, tsy fanàjana ny Zon' Olombelona sy ny Fafafàhana fototra teo amin' ny fitondrana firenena.

 

 

Antananarivo, faha-07 Aprily 2011.

-


samedi 20 novembre 2010

FANJAKAN'I MADAGASIKARA, FANJAKAN' NY FAHAMARINANA



 Ny FANJAKAN'I MADAGASIKARA, dia miorina amin' ny BAIBOLY, TENIN'ANDRIAMANITRA (Salamo 119:105), miori-paka amin' ny DIDY FOLO (Eksodosy 20), ary manaiky fa Ilay Zanakandriamanitra avy any an-danitra, JESOA KRISTY, no MPANJAKAN' NY MPANJAKA SY TOMPON' NY TOMPO (1 Timoty 6:15), any an-danitra sy ety an-tany, ary indrindra eto Madagasikara.

Araka ny vavaka nataon'i Jesoa Kristy Tompo manao hoe « ...Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny Sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra...'' (Matio 6:10), any an-danitra sy ety an-tany, ny FANJAKAN' I MADAGASIKARA, FANJAKA-MPISORONA SY FIRENENA MASINA dia taratry ny Fanjakan'Andriamanitra.



Hoy ny Tenin'Andriamanitra: Ny Fanjakan’Andriamanitra? “… tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana, fa FAHAMARINANA sy FIADANANA ary FIFALIANA ao amin’ny FANAHY MASINA” (Romana 14:5).  Fa “NY FAHAMARINANA MANANDRATRA NY FIRENENA" (Ohabolana 14:34) ary MAMPAHATEZA ny FANJAKANA (Isaiah 32:1).

 "...Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy YHWH, dia hevitra hahatonga FIADANANA fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany" (Jeremia 29:11),fa tsy fitaintanan-dava.  Dia hoy Jesoa Tompo: “...mba ho ao aminareo ny FIFALIAKO, ka ho tanteraka ny FIFALIANAREO" (Jaona 15:10,11).

 "Fa tsy Sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak'olombelona" (Jeremia 3:33), fa ny HAHASAMBATRA azy. Ary tiany ho tanterahina eo amin’ny isaky ny FIRENENA koa izany, 
fa "SAMBATRA IZAY FIRENENA IZAY MANANA AN'I YHWH HO ANDRIAMANINY" (Salamo 33:12a; 144:15b), dia ny FIRENENA ANJAKAN' NY FAHAMARINANY.


 Fa Izy no TOMPON' NY FANJAKANA SY NY HERY ARY NY VONINAHITRA (Matio 6:13 nota 7), ary “An’i YHWH ny tany sy izay rehetra eo aminy, izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy” (Salamo 24:1).

JESOA KRISTY, ILAY ILALANA SY FIANANA ARY FAHAMARINANA (Jaona 14:6) no efa nampianatra antsika ilay Vavaka manao hoe: “....HO TONGA ANIE NY FANJAKANAO. ATAO ANIE NY SITRAPONAO, ETY AN-TANY TAHAKA NY ANY AN-DANITRA ! ”.


Dia ho an' Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra, ao amin'i Jesoa Kristy, Andriamanitra tonga nofo, Ilay Mpanjakan' ny mpanjaka sy Tompon' ny tompo !

 Amen !

Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fiombonamben' ny Ampanjaka eto Madagasikara.

dimanche 14 novembre 2010

BOKIN' ISAIAH 60 : TENY FIKASAN' ANDRIAMANITRA MIKASIKA AN' I MADAGASIKARA:

-

Indro zaraina amintsika ny Bokin' ISAIAH 60, izay TENY FIKASAN'ANDRIAMANITRA mikasika an' i MADAGASIKARA manokana,
 izay nampitondrainy an' i Mama Ravelonjanahary (1850-1971) tao amin' ny Toby Manolotrony, izay efa nampiakariny in-telo tany an-danitra,
 nohamafisiny tamin' i Mama Volahavana Germaine Nenilava (1918-1998) tao amin' ny Toby Ankaramalaza, izay efa nampiakarin'i Jesosy Kristy im-pito tany an-danitra, 
ary tamin' ny Pastora Rakotozandry Daniel tao amin' ny Toby Farihimena (1946-1947),

ary ho tanterahan' ILay Mpahary ny Lanitra sy ny Tany, IHWH, tsy ho ela intsony eto amin' ny firenena:



1 " MITSANGANA, MIHAZAVA, fa TONGA NY FAHAZAVANAO, ary NY VONINAHITR' I IHWH EFA MIPOSAKA AMINAO.

2 Fa, indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa AMINAO KOSA NO IPOSAHAN' I IHWH, ary AMINAO NO ISEHOAN' NY VONINAHINY.

3 Ary NY FIRENENA MANATONA NY FAHAZAVANAO, ary ny mpanjaka mankeo amin'ny famirapiratan'ny fiposahanao.

4 Atopazy manodidina ny masonao ka jereo! Izy rehetra dia mivory ka mankaty aminao; NY ZANAKAO-LAHY DIA AVY LAVITRA, NY ZANAKAO-VAVY DIA SAKELEHINA.

5 Ary hahita izany ianao ka ho miramirana, dia hiemponempona sady hohalehibiazina ny fonao; fa HO ENTINA HO ANAO NY HAREN'NY RANOMASINA, ary HAFINDRA HO ANAO NY FANANAN'NY FIRENENA.

6 Ho feno ny rameva betsaka ao aminao, dia ny rameva tanora avy any Midiana sy Efaha, samy avy any Sheba izy rehetra; volamena sy ditin-kazo mani-pofona no ho entiny, ary ny fiderana an'i IHWH no teny mahafaly hambarany.

7 Ny ondry aman'osy rehetra any kedara dia hangonina ho ao aminao, ary ny ondrilahin'i Nebaiota hanompo anao; hiakatra amin'ny fankasitrahana ho eo ambonin'ny alitarako ireo, ary hataoko be voninahitra ny Tranon'ny Voninahitro.

8 Iza moa ireto manidina tahaka ny rahona ary tahaka ny voromailala ho amin'ny varavarankeliny?

9 Fa IZAHO no ANDRASAN' NY NOSY, ary ny sambon'i Tarsisy ho loha-lalana,
HITONDRA NY ZANAKAO AVY LAVITRA MBAMIN' NY VOLAFOTSINY sy ny VOLAMENANY, ho an'ny anaran'i IHWH ANDRIAMANITRAO sy ho an'ny IRAY MASIN'NY ISRAELY, Satria efa nanome voninahitra anao Izy.

10 Ary ny hafa firenena no hanangana ny mandanao, ary ny mpanjakany hanompo anao; fa tamin'ny fahatezerako no namelezako anao. Ary AMIN'NY FITIAVAKO KOSA NO AMINDRAKO FO AMINAO,

11 Ary HIDANADANA MANDRAKARIVA ny VAVAHADINAO, TSY HIRINDRINA IZY NA ANDRO NA ALINA, HAMPIDIRANA NY HAREN' NY FIRENENA sy ny mpanjakany izay efa voababo ho ao aminao.

12 Fa HO LEVONA IZAY FIRENENA SY FANJAKANA TSY HANOMPO ANAO; ENY, IRENY FIRENENA IRENY HOFONGORANA TOKOA.

13 Ny voninahitr'i Libanona ho tonga aminao, ny hazo kypreso sy ny pina ary ny bokso koa handravahana ny FITOERAKO MASINA, ary HASIAKO VONONAHITRA ny FITOERAN-TONGOTRO.

14 NY ZANAK'IZAY NAMPAHORY ANAO DIA HIONDRIKA EO ANATREHANAO,ary HIANKOHOKA AMIN' NY FALADIANAO IZAY REHETRA NANAMAVO ANAO; ary izy hanao anao hoe TANANAN' I IHWH, ZIONAN'NY IRAY MASIN'NY ISRAELY.

15 Ho solon'ny nahafoizana anao sy ny nankahalana anao ary ny tsy nandehanan'olona namaky anao, dia HASANDRATRO HO REHAREHA MANDRAKIZAY IANAO, eny, HO FIFALIANA HATRAMIN' NY TARANAKA FARA MANDIMBY.

16 Ary hinono amin'ny jentilisa hianao sady hinono amin'ny mpanjaka; ka dia ho fantatrao fa IZAHO IHWH NO MPAMONJY ANAO, ary ILAY MAHERIN' I JAKOBA NO MPANAVOTRA ANAO.

17 Hahatonga VOLAMENA Aho ho solom-barahina, ary hahatonga VOLAFOTSY ho solom-by, ary VARAHINA ho solon-kazo, ary VY ho solom-bato; NY FIADANANA NO HO HATAOKO FANAPAHANA ANAO, ary NY FAHAMARINANA NO HO MPAMPIASA ANAO.

18 Ny fampahoriana tsy ho re eo amin'ny taninao intsony, na ny fandravana sy ny fandringanana ao anatin'ny fari-taninao; ny mandanao dia hataonao hoe FAMONJENA, ary ny vavahadinao hataonao hoe FIDERANA.

19 Tsy ny masoandro intsony no ho fanazavana anao nony andro; ary tsy ny fangarangaran'ny volana no hanazava anao; fa IHWH NO HO FAHAZAVANA ANAO MANDRAKIZAY, ary IHWH NO HO VONINAHITRAO.

20 Tsy hilentika intsony ny masoandronao, ary ny volanao tsy hisoka; fa IHWH NO HO FAHAZAVANAO MANDRAKIZAY, ary ho tapitra ny andro fahalahelovanao.

21 Ary ny OLONAO REHETRA ho MARINA avokoa; hanana ny TANY ho mandrakizay izy, eny, ho VOLY MAITSO eo amin'ny sahako. Asan'ny tanako ho fampisehoam-boninahitra.

22 Ny kely ho TONGA ARIVO, ary ny malemy HO TONGA FIRENENA MAHERY; IZAHO IHWH NO HANAFAINGANA IZANY AMIN' NY FOTOANY".


Amen !
 
-
 

dimanche 7 novembre 2010

HAFATR' ANDRIAMANITRA HO AN' NY FIRENENA



FANAMBARANA:

FANJAKAN' I MADAGASIKARA, FANJAKAM-PISORONA
MIORINA AMIN’ NY DIDY FOLO, HITONDRA FITAHIANA.


Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra, efa nolazainy am-polo taona maro, dia hajoron’Andriamanitra eto ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjaka-Mpisorona, manaja an’ Ilay Mpahary, ary hitondra Fitahiana ho an’ ny firenena. Ary tsy hisy vondron’ olona na firenena vahiny afaka hahasàkana izany. Tapitra tamin’ ny 17 marsa 2009 ny rafitra repoblikana napetraky ny mpanjanantany ary nitondra ozona ho an’ ny firenena.
Miditra isika izao amin' ny Taon-Jobily (Levitika 25:8-10), Taona faha-Dimam-Polo (1960-2010), Taona Fanafahan' Andriamanitra ny Firenena! Tany Masina i Madagasikara, ilay Tany Edena fahiny. Ary efa nohamasin’ i Jesoa Kristy, efa 2000 taona lasa izay i Madagasikara, ho an’Ilay Mpahary! Ary hiposaka eto Madagasikara ny Fahazavan’Andriamanitra ary hipaka hatrany amin’ny faran’ ny tany.


1. NY TENIN’ANDRIAMANITRA NO FOTOTRY NY FANJAKAN’I MADAGASIKARA:
 Araka ny Teny Fikasan’Andriamanitra, hajorony eto tsy ho ela intsony ny Fanjakan’i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona (I Petera 2: 9-10), hitondra Fitahiana ho an’ ny firenena. Efa nohamarininy izany Fanjaka-Mpisorona izany tamin’ ny 02 Aogositra 1983 tany Ankaramalaza. Hajorony ny Lalàm-Panorenana Vaovao mifototra amin' ny Baiboly, Tenin'Andriamanitra. Ary Olon'Andriamanitra maro, tena mijoro amin’ ny fahamarinana (Isaiah 33:15), no hapetrany hitondra ny Tany sy ny Fanjakana, isan'ambaratongam-pahefana.
 Ny rafitra repoblikana dia rafitra vahiny tandrefana, nataon’ olona nanompo sampy, nitsipaka an’ Ilay Mpahary, ary napetraky ny mpanjanantany teto Madagasikara mba hanohizana ny fanjanahantany amin’ ny endriny vaovao, hanapotehana ny soatoavina sy ny kolotsainam-pirenena sy hampiadiana ny samy mpiray tanindrazana ary hangalàrana ny harem-pirenena. 


2. TENY FIKASAN’ANDRIAMANITRA NY FANJAKA-MPISORONA:
Ny Teny Fikasan’Andriamanitra dia Tenin’Andriamanitra ao amin’ ny Baiboly, izay fanomezany toky amin’ izay asa hataony sy ny zavatra ho tanterahiny ary ny fanomezana atolony. Izay olona na fianakaviana na foko na firenena manaiky izany dia hahazo Fitahiana (Deotoronomia 28:1-14) ary izay mitsipaka izany Tenin’Andriamanitra izany kosa dia ho sahirana sy ho voaozona (Deotoronomia 28:15-68).
Teny Fikasan’Andriamanitra ny Fanjakam-Pisorona, nolazainy efa hatry ny ela, fa tsy vao izao akory. Hoy Ilay Mpahary: Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra hianareo; fa Ahy ny tany rehetra. Dia ho Fanjakam-Pisorona sy ho Firenena Masina ho Ahy hianareo. » (Eksodosy 19:6). Ary inona moa izany Fanekena izany ? Ny Fanambarana nataony tamin’ i Abrahama ho Rain’ ny firenena maro sy hisy Mpanjaka maro hipoitra avy aminy (Genesisy 17:6-7) ary ho Firenena Masina, « mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho » (Genesisy 17:7). 


3. NY DIDY FOLO NO FOTOTRY NY LALAM-PANORENANA:
Tany Masina i Madagasikara, ilay Tany Edena fahiny, ary efa nohamasin’ Ilay Mpahary tamin’ ny namoronany ny Lanitra sy ny Tany. Ary Jesoa Kristy, Zanakandriamanitra avy any an-danitra (Jaona 1:1-34), dia efa tonga teto Madagasikara, rehefa tsy tany Israely, ary nanamasina ity Nosintsika ity, roa arivo taona lasa izay, ho an’Andriamanitra Ray Tsi-Toha!
Ary araka ny Tantara, izay nohamarinina mpanompon’Andriamanitra, dia eto Madagasikara ny Didy Folo, nosoratan’Ilay Mpahary (Deot. 5:6-18), ao anatin’ Ilay Fiaran’ ny Fanekena, tao amin’ ny Toerana Masina Indrindra tao anatin’ ny Tempoly Voalohany tao Jerosalema! Ary ny Didy Folo no fototry ny Lalàm-Panorenana ny Fanjakan’ i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona.

4. JESOA KRISTY NO MPANJAKAN’ NY MPANJAKA:
Araka ny Tenin’Andriamanitra dia Jesoa Kristy no Mpanjakan’ ny Mpanjaka sy Tompon’ ny tompo, manerana ny Lanitra sy ny Tany (Apokalypsy 19:16). Ny Mpanjaka Ranavalona II dia efa nanamafy izany tamin’ ny 20 Jolay 1869 tamin’ ny fandatsahana ny vato fehizoron’ ny Tempoly Anatirova Antananarivo. Ary tsy tafita hatrany izay mpitondra firenena, manerana ny tany, ka tsy manaiky na tsy manaraka ny Tenin’Andriamanitra.

Ny Fanjakan’ i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona, izay ho hajoron’Ilay Mpahary tsy ho ela intsony, dia Fanjakana miori-paka sy manaja ny Baiboly Tenin’Andriamanitra. Hisy ny Mpanjaka araka ny Teny Fikasan’Ilay Mpahary (Genesisy 17:6), manaiky sy manaraka ary mifikitra amin’ i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy (Asa 5 :31), ary hisy Filan-Kevitry ny Mpisorona (I Tantara 24 :7-19) eo anilany, izay mivavaka hatrany (I Petera 2 :5) sy manoro làlana ary manitsy ny Mpitondra Fanjakana araka ny Baiboly Tenin’Andriamanitra (Salamo 119 :105).

FEHINY: 
Hajoron'Andriamanitra tsy ho ela intsony eto ny Fanjakan'i Madagasikara, Fanjakam-Pisorona! Miomana ny Fiangonana. Miomana ny Firenena. Hiposaka eto Madagasikara ny Fahazavan’Ilay Mpahary ary hipaka hatrany amin’ ny faran’ ny tany! Tenin'Andriamanitra no arahina fa tsy ny tenin' ny mpanao politika. Fanjakana fa tsy repoblika. Fanjaka-Mpisorona fa tsy ny fitondrana jadona na ny demokrasia.
Ho an’ Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra !
Antananarivo, faha-07 Novambra 2010.
Ny Andriana Rev. Dr. Ndriana RABARIOELINA
Doctor of Theology (USA).



(c) copyright.